Sosialy

Lobikely, 6 taona Nongotana ny voamasony roa…


  • Talata 11 Febroary 2020

Omaly maraina no hita faty tao amin’ny sekolim-panjakana iray ao Antaninarenina Toliara, i Lôbikely,

 

 zazalahy iray vao enin-taona monja raha nivoaka ny trano mba hilalao baolina no anton-diany ny Alahady hariva teo. Efa tsy nisy voamaso intsony izy nandritra izany ka rà avokoa no nivoaka tamin’ireo lavaka roa.  Raha araka ny vaovao azo hatrany dia hatramin’ny 10 ora alina mbola nitady an’i Lôbikely tao amin’ilay tokontanin-tsekoly ihany ny Reniny raha tamin’ny 07 ora hariva no efa nody ireo namany. Tsy nahita na inona na inona anefa izy nandritra izany ka nampandre avy hatrany ny mpitandro ny filaminana. Omaly maraina niparitaka tao Toliara ny feo fa misy fatin-jazakely efa tsy nisy masony intsony hita ka fantatra avy hatrany fa i Lôbikely ilay notadiavin-dReniny izany. Miaina anaty tebiteby tanteraka vokatr’izany ireo Ray  aman-dReny manan-janaka madinika ao Toliara. Manao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana izy ireo mba hijery akaiky ny raharaha. Tsiahivina moa fa efa nisaraka ireo nahitan’i Lôbikely ka masoandro ka tao amin-dReniny izy no nipetraka.

Nangonin’i Pati

 

                                                                       

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT