Mamboly vary aho izao, hoy ny filohan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa na RNDC, Lita Rabenintsara, tamin’ny antso an-tariby natao taminy. Vao nijinja vary aho ny volana jona, hoy izy.
Niverina namboly indray satria azo volena indroa ny tanimbariko. Efa fantatro fa tsy ho voafehin’ny mpitondra ny vidim-bary gasy. Milaza ny minisiteran’ny varotra fa hanao be midina hanara-maso ny fiakaran’ny vidin’entana. Tompon’antoka voalohany amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana, noho izany, izy. Manaitra ny minisiteran’ny varotra noho izany mba hijery izay akaiky, indrindra, araka ny efa nolazaiko foana, 7 taona izay ny lalana 2015-014 izay miaro ny zon’ny mpanjifa. Ny RNDC no nitondra izany tao amin’ny antenimieram-pirenena. Efa tokony hampiharina io ahafahana mifanakalo hevitra sy mifehy ny vidin’entana. Eo amin’ny resaka fitaterana an-tanety, ohatra, misy ny ATT izay mamehy ny saran-dalana ankehitriny. Voafehiny izany satria be ny mpanararaotra mampiakatra rehefa krizy. Tokony hampihatra io lalana miaro ny zon’ny mpanjifa io koa ny minisiteran’ny varotra. Tsy tokony hiantehitra fotsiny amin’ny fehezan-dalana na “ordonnance” 60-133 mikasika ny fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa. Lasa miraviravy tanana indraindray ny fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa satria ny minisitera izay tokony hiara-kiasa aminy aza tsy manohana ny fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa izay tokony ho izy dia araka ny lalana efa lany tany amin’ny antenimieram-pirenena. Ny didy fampiharana io lalana io, noho izany, dia miankina amin’ny minisiteran’ny varotra. Anatin’izany no tokony hisiana rafitra iraisan’ny mpandraharaha, ny mpanjifa, ny mpivarotra, mpisehatra amin’ny hetra. Lasa tsy afa-miasa araka ny tokony ho izy ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa noho ny tsy fampiharana io lalana io. Ny sandan’ny vola Malagasy mihitsy no tsy mipetraka amin’ny toerany. Tokony hametraka politikan’ny vola mazava tsara ny fanjakana hialana ao anatin’io MID sy hametrahana tahabola tsy miovaova. Mivoaka any ivelany ny harentsika nefa tsy mampiakatra ny sandam-bolantsika. Vao tonga teo io minisitra io no efa noteneniko hoe ampiharo io lalana io fa tsy nataony, hoy hatrany ny filohan’ny RNDC.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.