Sosialy

Lisea Ampitatafika Hankalaza ny faha-10 taonany


  • Zoma 14 Febroary 2020

Hisokatra ny 19 febroary izao ny fankalazana ny faha-10 taonan’ny lisea miankina amin’ny fanjakana ao Ampitatafika.

 

 

Nametraka hatrany ho laharam-pahamehana izay fanabeazana sy fampianarana izay ny tenako, hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana, Rado Ramparaoelina ary angady nananana sy vy nahitana io lisea io. Fampanantenako ny vahoaka tamin’ny taona 2007 rahateo io ary tamin’izany dia nahavita efitrano 7 izahay. Ankehitriny dia miisa 16 ny efitrano. Nisy ny ezaka nataon’ny ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny provizera ao an-toerana. Nisy koa fangatahana tamin’ny fitondrana nifandimby ary nisy koa ezaka manokana avy amin’ny kaominina. Ankoatra io moa dia tetikasan’ny kaominina koa ny resaka lalana sy tsy fandriampahalemana, izay mifandraika hatrany amin’ny famoronana asa ary ny fahefatra dia ny sosialim-bahoaka. Nisongadina ny fampianarana ary tao anatin’ny 4 taona izay dia nampanantena ny ben’ny tanàna fa hisy ny vokatra ho an’ireo mpianatra ireo. Hanalana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny ihany koa dia nifanarahana fa izay voalohany amin’ny serie A, C, D dia nomena 1 tapitrisa ariary ny voalohany ary ny faharoa, 7 etsy ariary.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT