Sosialy

Ligin’ny volley-ball Analamanga Nosokafana omaly ny taom-pilalaovana 2019


  • Alatsinainy 01 Aprily 2019

Nosokafana omaly alahady 31 martsa 2019 tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano ny taom-pilalaovana 2019 ho an’ny ligin’ny taranja volley-ball eto Analamanga ka ny filohany,

 

 

Raharimalala Léa, no nitarika izany notronin’ny filohan’ny federasion’ny taranja volley-ball Malagasy sy ny solontena avy ao amin’ny minisiteran'ny tanora sy fanatanjahantena. Taorian’ny filaharambe nataon’ireo klioba 27 milalao ao amin’ity ligy ity ka ahitana klioba 2 vaovao (Colone  Volley-ball sy ny Athletic Club de Volley-Ball) dia natolotra ampahibemaso ho hitan’ny mpanotrona rehetra ny ekipa vaovaon'ny Federasiona tarihan’ny filohany Tahina Andriamanantena sy ny ekipa vaovaon’ny ligin’Analamanga tarihan-dRaharimalala Léa. Ny hampiroborobo miainga ifotony an’ity taranja ity no tanjon’ny federasiona tarihako,  hoy Atoa Tahina raha ny fanoritsoritana ny praograman’asan-dry zareo miompana amin’ny fanatanterahana ny “championnat 2019” sy ny “Critérium Jeunes”, ny beach-volley ary ny “Tournoi de l’Indépendence” sy ny Coupe de Noël” kosa no nifantohan’ny lahateny nataon’ny filohan’ny ligy. Nisy ireo lalao “demonstration” U 14 F sy U 14 G natrehana omaly ary ny teny fanombohan’ny “championnat 2019 sokajy 1 DF (Bias # Vbcd) sy 1 DM (Avb # Pole Analamanga).

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT