Miditra amin’ny andro faha-9 farany amin’ny fifanintsanana ny fiadiana ny ho tompondakan’ny baolina kitra sokajy D-1 ny ligin’ny baolina kitra Matsiatra Ambony.
Ny vokatra tamin’ny andro faha-8 notontosaina ny sabotsy 9 sy alahady 10 febroary teo : Akon’Ambatomena 0 – 2 Fc Lam ; C.O.S.P.N 2 - 2 Fcb ; Fomela Club 0 – 0 Suca Foot ; Maitso volo 0 – 5 Vas-Y Boaikely ; Zanakala Fc 0 – 0 Relais Sport. Mitarika an’isa ny Zanakala Fc manana isa 20, faha-2 ny Le Relais isa 18 ary faha-3 ny Fomela isa 13.
Fandaharan-dalao andro faha-9 :
Any amin’ny kianjan’Ambalavao
01:00-Suca Foot # Zanakala Fc ; 03:00-Fomela Club # Vas-Y Boaikely
Any amin’ny kianja maoderina Ampasambazaha
11:00-Relais Sport # Akon’Ambatomena ; 01:00-Fc Lam # Cospn ; 03:00-Fcb # Maitso volo
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.