Sosialy

Leo fahatapahan-drano Raikitra indray ny grevy teny Ankatso I


  • Alarobia 01 Desambra 2021

Raikitra indray ny grevy sy fanakanan-dàlana teny Ankatso I omaly alina. Tezitra ireo mpianatra sy ny mponina noho ny tsy fisian-drano.

Voalaza mantsy fa efa herinandro izay ny fahatapahana kanefa tsy misy ny vahaolana maharitra naroson’ny Jirama. Nilaza ho leo noho izany izy ireo, ka raikitra ny fandrehetana afo teny an’arabe nentina nanehoana ny tsy fahafaliana. “Leo tsy misy rano izahay”, hoy izy ireo. Tsy vao izao no nisiana grevy toy izao , ary tsy teny Ankatso ihany fa saika fa nahitana fanehoana tsy fahafaliana tamina toerana sasany teto an-drenivohitra vao andro vitsy izay, toy ny teny Itaosy, Ambatomaro,… Naneho moa ny Jirama omaly tapany maraina, fa mitohy hatrany ny asa fanatsarana ny famatsian-drano manerana ny Nosy: efa miasa ny 10 amin'ireo tobim-pamokarana sy fanadiovan-drano 12 mamatsy an'Antananarivo sy ny manodidina taorian'ny hetsika fandatsahana orana natao ny herinandro teo. Miasa andro aman'alina ny ekipa teknikan'ny Mandroseza manao ny fanarenana ireo fanatatavanana rano lehibe miisa roa (filtres), izay nahitam-pahavoazana noho ny habetsahan'ny tosaky ny rano tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo, izay nambara fa antony indrindra mahatonga fikorontanan'ny famatsiana amin'ny faritra sasantsasany eto Antananarivo. Nambara, fa 210 000m3 isan’andro no vokatra rano tsinjaraina eto Antananarivo sy ny manodidina. 7 ny isan'ny camion-citerne miantoka ny famatsiana ireo Fokontany ary vatsiana rano isaky ny manao fangatahana ny tomponandraikitra. Miato anatin'ny fotoana fohy ireo toby ao Bemasoandro sy Ambohipanja noho ny fahalotoan'ny rano ka efa anatin'ny asa fametrahana ny fepetra rehetra amin'ny fanadiovana rano azo antoka ny oranasatnsika JIRAMA ankehitriny. Hatsaraina ny kalitao ary ampitomboana 4 isanandro ny fitiliana ny rano raha 2 no fanao, ary in-droa isan-kerinandro ny eny amin’ny Institut Pasteur de Madagascar,… Tsy mahandry ireny fampanantenana sy asa resahina ireny intsony ny olona, ka tokony hafainganina, ary mba haharitra ny vahaolana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT