Manoloana ny hetsika ataon’ireo mponin’Ambohitrimanjaka sy ny manodidina mikasika ny fanatontosana ny tetikasa Tana
masoandro eny amin’iny faritra iny dia nitondra fanazavana fanampiny mikasika ity raharaha ity ny manampahaizana manokana nampandraiketana ny tetikasa sady mpanolotsain’ny filoham-pirenena, Gerard Andriamanohisoa sy ireo depiote IRD voakasiky ny tetikasa miaraka amin’ny Apipa. Araka ny nambaran’izy ireo tetsy amin’ny foiben’ity tetikasa ity etsy Antaninarenina dia io anelanelan’Ambohitrimanjaka sy Antananarivo atsimondrano io ihany no mety hanitarana an’Antananarivo. Efa tany amin’ny propagandy, hoy ny depioten’Atsimondrano, Andry Ratsivahiny, no efa voaresaka fa hojerena ny rehetra ary honerana avokoa na ireo manana tanimbary na ny manana trano sy tany misy titra. Olona eny amin’ireo distrika ihany koa no alaina hiasa ka hovahana ny olana ara-tany sy trano ary hanana asa ny tsy an’asa. Efa miady ihany koa izahay, hoy ny depioten’Ambohidratrimo, Jhonny Rakotoarisoa, ny amin’ny tena ahazoan’ireo vahoaka ny fanonerana. Mikasika ny resaka fampitomboana ny faritra amokarana moa dia nanazava ny manampahaizana fa efa manao politika goavana hampitomboana izany ny fitondrana sy ny minisiteran’ny fambolena. Heverina fa miaraka amin’ireo orinasa tsy miankina dia hahazo vary eo amin’ny 300.000 taonina eo isika, raha ho amin’ity taona ity amin’ny alalan’ny fampiasana teknika hibrida. Ny 2/3-n’ny lemak’i Betsimitatatra, raha hiresaka ny lemaka avaratra sy atsimo, isika, izany hoe, Laniera, 67ha, Anosizato iny no atsimo izay manome ny 1/3 no efa lany nanaovantsika tanàna, hoy ny fanazavana. Tamin’ny nanao an’Ampefiloha, tamin’ny repoblika voalohany koa, hoy izy, dia efa nisy ny fimenomenomana toy izao fa vita ihany. Tsy maintsy lany ny lemaka havanan’Antananarivo raha tsy misy vahaolana amin’ny fanaovana tanàna vaovao, hoy hatrany i Gerard Andriamanohisoa. Efa mahazatra moa ity maheno hoe efa miroso ny fifampiresahana ity na mikasika ireo mpiara-miombon’antoka na mikasika ireo vahoaka voatohintohina amin’ny tetikasa saingy mampametra-panontaniana hoe maninona no an’aliny ireo mponina nitokona teny Ambohitrimanjaka ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.