Nahitana fatin-dehilahy iray tokony ho 45 taona indray tao Mahafaly-Vatofotsy ny marainan’ny omaly zoma 18 janoary teo.
Tombanana ho olona nodomin’ny fiara ity lehilahy ity ka nitsoaka ny fiara. Raha tamin’ny fotoana nahitana ny razana dia mety ny maraindraina no nahavoa azy, satria mbola nalefaka dia nalefaka ilay razana rehefa navadibadiky ny BMH. Raha ny nambaran’ny olona nahita azy moa dia mbola niantso fanampiana tamin’ny mpandalo izy mba hanarina azy, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany mba hampiakatra azy amin’ny posy sy hitondra azy ho any amin’ny hopitaly saingy tsy nisy nety nanampy azy ny olona noho ny tahotra amin’ny fanadihadiana angamba ary dia nitarika azy tamin’ny fahafatesana noho ny habetsaky ny ra very taminy. Nisy kiaka sy naratra tany amin’ny valahany ary nisy fahatapahana ihany koa ny hatony ary voadona ny lohany, mety tamin’ny fianjerany ihany koa. Fantatra fa mpiambina tranon’ny anabaviny mipetraka any andafy no asany ka asa na sendra nivoaka hividy zavatra izy voadona izao. Efa nalain’ny fianakaviany sy ny vady aman-janany ny razana taorian’ny fizahana nataon’ny polisy sy ny BMH. Avy any amin’ny kaominina Ambano ny fiaviany.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.