Sosialy

Lehilahy nodimandry tamin’ny fambolen-kazo Tonga naneho fiaraha-miory ny zandarimaria


  • Talata 21 Janoary 2020

Tonga nitondra ny teny fampiononana ho an'ny fianakavian-dRandrianantohanina Jean François Anicet,

 

 mpiasa tao amin'ny minisiteran'ny toekarena sy fitantanam-bola nindaosin'ny fahafatesana tampoka taorian'ny fambolen-kazo natao ny alahady 19 janoary teo ny teo anivon'ny Zandarimaria omaly 20 janoary 2020 teny Anjanatsimiova Ampitatafika. Ny jeneraly Richard Ravalomanana Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria no nitarika ny fianakaviamben'ny Zandarimaria notronin'ireo teo anivon'ny Foibe fibaikoana sy ny Fari-piadidian'ny Zandarimariam-pirenena Antananarivo. Marihina fa tsy olom-pantatra manokana na fianakaviana akaikin'ny iray amin'ny Zandary ilay mpiasam-panjakàna nodimandry fa noho ny firaisankinan'ny samy namita ny adidy masina ho an'ny taranaka sy ny tanindrazana, dia ny fambolen-kazo no antony. Nirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana sy ny ministera izay niasàny noho izany ny fianakaviamben’ny zandarimariam-pirenena.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT