Sosialy

Lehilahy mpiray dina Maty notetitetehina


  • Talata 20 Aogositra 2019

Maty novonoin’ireo tsy mataho-tody ny lehilahy iray, izay voalaza fa mpikambana sady mpiray dina, momba ny fandriampahalemana. Notetitetehin’ireo jiolahy ilay rangahy ary tsy hita teny amin’ny vatany ny tongony anankiroa.

 

 

 

 

 Ny razana kosa efa simba tanteraka. Ny sabotsy lasa teo vao hita lavitra ny tanàna ny razana. Tao amin’ny kaominina Bekoratsaka, distrikan’i Mampikony, farita Sofia, no nitrangan’ny famonoana, ny talata lasa teo. Voalaza fa namonjy ny asa andavanandro ity raim-pianakaviana ity, ny talata maraina. Ny alin’iny anefa tsy nody tao an-trano izy, ka nanaitra ny havany sy ireo vady aman-janany ary nanao  ny fikarohana izy ireo. Nampandre ny mpitandro ny filaminana koa ireo vady aman-janany ary rehefa natao ny fikarohana ny alin’iny, dia izao hita ny sabotsy teo izao ny razana izay efa simba sy namofona. Nanokatra ny fanadihadiana ny zandary any an-toerana. Marihina fa fanindroany izao no nisy vono olona mahatsiravina tahaka izao, tao amin’ity distrika ity. Voalohany, tovolahy kely mpiandry omby no maty notetitetehina ary lasan’ireo mpamono ny omby 18 nandrasany dia ity niseho tao amin’ny kaominina Bekoratsaka ity ny fanindroany. Andrasana ny valin’ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana.

 

Sitraka r.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT