Sosialy

Lehilahy mpanararaotra Vehivavy mamo sy tsy nahatsiaro tena no naolany


  • Alatsinainy 04 Janoary 2021

Lehilahy iray tratra nanolana vehivavy mamo tao amina elakelan-trano ka saika niharan'ny fitsaram-bahoaka.

 

 

 

Tokony tamin'ny 5 ora hariva, tratra ambodiomby nanolana vehivavy mamo teo Andrefambohitra Ampitatafika izy io. Raha ny fanazavan'ireo nanatri-maso dia notereny ilay vehivavy amin'ny fahalemeny ka nanararaotiny nanaovan'ny filan-dratsiny. Tratran'ny manodidina ity lehilahy ity na dia mbola nandà mafy fa tsy nanao na inona na inona aza. Ilay vehivavy kosa tsy nahatsiaro tena ary dia nitanjaka tapany ambany. Nanomboka vory ny olona nijery ny zava-nisy. Soa kosa fa nisy ireo solontenan'ny fokontany sy ny kaominina nandamina ny raharaha noho ny hatezeran'ny vahoaka mandra-pahatongan'ny zandary mba tsy hisian'ny fitsaram-bahoaka.Tonga moa ny zandary fotoana fohy taorian'izay ka nasain'ny fokonolona nibaby an'ilay vehivavy mankany amin'ny tobin’ny zandary ilay lehilahy ary natao teo am-bavany ihany koa ilay silipo ho toy ny aro vava.

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT