Sosialy

Legioma sy voankazo Efa amidy "en ligne" ihany koa


  • Alarobia 15 Aprily 2020

Ankoatra ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny savony, ny siramamy, ny vary….

 

 

 

 

 dia efa hamidy en ligne,izany hoe kaomadina sy vidina amin'ny alalan'ny internet ihany koa ankehitriny ny legioma sy ny voankazo maro samihafa. Ho fiarovana ny olona amin’ny fiparitahan’ny tsimokaretina coronavirus no anton’izany, indrindra amin’ izao fotoanan’ny fihibohana tsy tokony hivoahana ny trano izao. Ho ana ivo-toeram-pivarotana iray dia 20.000 Ar raha kely ireo kojakoja tsy maintsy vidina ao aminy raha mikasa hanao izany ny tokantrano iray. Hita amin’ny alalan’ny sary alefan’izy ireo ao anaty tambajotran-tserasera mihitsy ny vidin’entana. 10.000 Ar kosa ny saran’ny fanaterana izany any an-tokantrano sy ny fikarakarana azy miainga any an-tsena. Legioma sy voankazo ary kojakoja efa voafantina avokoa no hamidy amin’izany. Efa voasasa no sady efa nampidirina anaty fitoerany manokana toy ny sachet plastika ohatra. Manaraka ny fenitra ara-pahasalamana ihany koa ireo mpivarotra azy. Anisan’izany ny fanaovana aron-tava, ny fampiasana fonon-tanana. Azo aloha amin’ny alalan’ny Mvola moa ny vidin’entana amin’ny fotoana hanaterana azy na koa aloha vola mivantana toy ny mahazatra  rehetra tonga ny mpanatitra entana; saingy tsy maintsy hatao anaty valopy kosa ho an’ity farany ho fiarovana ny fahasalaman’ny mpiara-belona.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT