Sosialy

Le Buffet du jardin Antaninarenina Sahirana 350 no nahazo sakafo maimaimpoana


  • Zoma 27 Desambra 2019

Toy ny fanaon'izy ireo isan-taona tao anatin'ny 5 taona nisesy izao dia nahatsiaro an'ireo olona sahirana mivezivezy eny amin'ny faritra

Antaninarenina misy azy ny tompon'ny trano fisakafoana Le Buffet du du jardin, ny fianakaviana Eric Kholer, ny andron'ny krismasy
25desambra 2019. Noho ny fanamboarana atao eo amin'ny zaridainan'ny Le Buffet  anefa dia  tsy afaka nampihinana nivantana an'ireo sahirana ireo toy ny fanaony hatrizay izy ireo fa  natolotra nivantana tao anaty harona kosa ny vary sy laoka  ary lasary  tanaty "Barquette"
niampy ranom-boankazo anaty tavoahangy plastika 35 cl ary "Buche de noel" iray avy isan'olona. Sakafo  nahatratra 350 isa no voazara tamin'izany. Tsotra ny nahatonga anay anao an'izao fihetsika izao, hoy Atoa Kholer teny Antaninarenina, dia  ny mba hahatsiarovan'ireto  olona sahirana aty amin'ny faritra misy ireto fa afaka  misitraka sy mankalaza ny fetin'ny krimasy toy ny  olon-drehetra mitovy aminy izy ireo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT