Sosialy

Lazaina-Avaradrano Zaza tsy ampy taona nentin-dRainy nangalatra


  • Talata 28 Aprily 2020

Raim-pianakaviana iray no tratran’ny fokonolona namaky trano omaly maraina tokony ho tamin’ny 05 ora sy sasany teny Lazaina Avaradrano.

 

 

Raha ny fitantaran’ireo manodidina dia nazeran’ity lehilahy ity mihitsy ny andrin-jiron’ny JIRAMA iray teny an-toerana mba hahafahany mamono ny herinaratra teny amin’ilay faritra norobainy. Nentiny nanaraka azy nandritra izany zanany lahikely vao 10 taona izay marihina fa naratra noho ny fanoherany ilay mpiandry tànana teo akaikin’ilay trano novakian’izy ireo. Efa naoron’izy mianaka avokoa moa no entana rehetra tao amin’ilay trano novakiany. Ilay rangahy koa teo an-daniny mbola mamo ihany noho ny fisotroany ilay labiera tao anaty vata fampangatsiahan’ilay trano novakiany. Raha ny filazan’ilay zazalahy kely moa dia nisy olon-kafa niaraka tamin’izy mianaka nanao izao asa ratsy izao saingy tsy tratra iretsy voalohany.

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT