Sosialy

Lavanila any SAVA Efa marin-toerana ny vidiny 75000Ar…


  • Alakamisy 21 Jolay 2022

Marin-toerana amin’ny vidiny 75000Ar isan-kilao ny maitso any amin’ny renivohitr'ity vokatra ity eto Sambava, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly.

Torak'izany ihany koa any amin’ireo distrika hafa mandrafitra ny faritra SAVA. Nandalo ady hevitra sy fahasahiranana samihafa ny fametrahan'ny fitondrana io vidiny 75000ar io ho an'ny tao SAVA ary mbola mbola misy tarazon'izany vitsivitsy any amin’ny faritra Analanjirofo, tahaka ny ao Maroantsetra, eo ihany koa ny any Nosy Varika, faritra Vatovavy, hoy hatrany ny tatitra. Samy miaiky kosa fa ara-drariny, mitsinjo ny tantsaha ary samy mahazo tombony ao anatin'izany na ireo mpamboly na ireo mpandraharaha sy mpisehatra amin’ny lavanila. Zava-dehibe namahana ny olana tao Sambava ny fifandresen-dahatra sy fifampihainoana. Varotra rahateo ny resaka, misy ny adi-varotra. Velom-bolo ny tantsaha satria tafapetraka ary ifaneken'ny rehetra ilay 75000ar isan-kilao, hoy indray ny akony omaly. Tsy misy intsony ny sakan-dalana na fanehoan-kevitra isan-karazany mikasika io vidiny 75000Ar io. Mirohotra any ireo tanàna samihafa fanagonam-bokatra sy fivarotana izany ny mpividy. Nofinofy ny andro vitsivitsy lasa, nisian'ny sakantsakana namarotana ny lavanila maitso. Fahombiazana hoan'ireo tantsaha sy mpandraharaha miaraka amin’izao fotoana izao ny tontolon'ny lavanila any amin’ny faritra SAVA. Miroso amin’ny famahana ireo olana manodidina ihany koa ny any Maroantsetra sy ny distrika hafa ao Analanjirofo, eo ihany koa ny any Nosy Varika, hoy hatrany ny fampitam-baovao omaly. Samy maniry ny hisian’ny fitoniana sy fahamarinan-toerana ny rehetra. Malalaka arak'izany ny fambolena sy fiotazana , ny famarotana ary ny fanondranana lavanila any SAVA sy Analanjirofo sy ny toerana hafa, hoy ity akom-baovao omaly izay nilaza fa diso ny fivoizana ara-politika mandeha momba ny lavanila.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT