Sosialy

Latsakemboka sy hetra samihafa Naato ny fandoavana azy ireo


  • Talata 21 Aprily 2020

Nivory niaraka tamin’ny birao maharitra eo anivon` ny Antenimierandoholona ny Praiminisitra Ntsay Christian noho ny ady amin` ny COVID-19.

 

 

Fotoana izay nihainoana ireo parlemantera. Mba hahafahana manohana ny toekarantsika sy ireo sehatra tsy miankina, nangataka ny hanaovana ahamehana ireo vokatra anatiny eto akin`ny firenena. “Tsaratsara kokoa raha omena tombony manokana ny famokarana sy fanaparitahana ireo vokatra anatiny toy ny vary, legioma, voankazo toy izay ny vokatra avy any ivelany indray no omen-danja” hoy Rivo Rakotovao, filohan` ny Antenimierandoholona. Mba hahafahana manatanteraka izany dia hamoraina ny fitaterana ireo vokatra manerana ny nosy sy ny fanatsarana ireo lalana amin` ireo toerana sarotra ifamezivezena. Ao anatin` izay fanarenana ara-toekarena izay hatrany, notsipihany ny governemanta tamin` ny alalan` ny praiministra Ntsay Christian sy ny ministry  ny vola, Richard Randriamandranto, fa naato ny fandoavana ireo latsakemboka (CNaPS sy OSTIE), ary ireo tataon-ketra sy hetra ary ireo saram-pampiofanana samihafa. Izany dia natao hanohanana ireo sehatra tsy miankina sy mba hahafahana misoroka ireo izay mety hiteraka voka-dratsy eo anivon` ny kitapom-bolan` ireo orinasa Malagasy.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT