Miaina anaty fahasahiranana goavana avokoa ny orinasa eto amintsika. Anisan’ireny ireo mpivarotra sakafo masaka toa ny orinasa La Gastronomie Pizza.
Mpiasa miisa 450, omaly izany hoe : ny 40 %-n’ny mpiasa no tsy maintsy nalefa chomage technique.Noho ny havitsian’ny mpanjifa no tsy maintsy nandraisan’ny tompon’ny orinasa izany fanapahan-kevitra izany na dia sarotra aza. Na dia mivoha mandritra ny tapak’andro aza mantsy izy ireo dia mbola miaina anaty fatiantoka hatrany. Raha toraka izay koa ilay fahafahana manatitra sakafo any an-tokantrano amin’ny hatramin’ny 04 ora hariva . Ny fahafahan’ireo mpanjifa mihitsy anefa no mbola tsy ampy vokatry ny fihibohana ateraky ny fiparitahan’ny coronavirus. Manao antso avo amin’ny fanjakana araka izany ny tompona orinasa sy ny mpiasa mba hijery akaiky izao zava-misy eto amin’ny firenena izao. Rehefa miverina amin’ny laoniny moa ny fiainana dia fantatra fa averin’ny gastro horaisina ihany ireto mpiasa miisa 450 naato vonjimaika ireto. « Mbola hihaona tsy ho ela isika, latsaka ny ranomaso fa tsy hita izay azo hatao , manantena ny fanjakana mba hijery antsika amin’izao olana goavana izao" hoy Randrianaivo Ambinintsoa Arson, na Chef Mbinina raha nanoratra ho an'ireo mpiara-miasa aminy .
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.