Naneho ny tsy fahafaliany tamin’ny fanotorana ny tany izay efa nohajariana nandritra ny 20 taona ny mponina ao Ankorondrano, ka nametraka sorabaventy hoe “tsy ekenay ny fangalana ny taninay, izay efa nohajarianay an-taonany maro”,
nefa dia nisy nanala sy nandrovitra, hoy ireto mponina. Nambaran-dRamatoa Rakotoarison Malalatiana Eugenie, anisan’ny mponina ho rava trano fa an’ny orinasa Simanco io tany io, ka novidian’ny vazaha izay tompony, tamin’ny fitondran’ny filoha Marc Ravalomanana. Nahazo titra tamin’ny fanjakana io vazaha io, ka nijanona ho azy ny tany. Tsy misy intsony anefa io orinasa io amin’izao, hoy izy. Tsy nisy tohiny koa ny resaka tany. Vondrona, honahona, tsikafona no naniry teo amin’io tany io. Ny taona 2003 no nanomboka nanajary io tany io, ireto mponina ireto ary nanorina trano fonenana ho azy ireo teo. Nangataka titra sy borna io tany io, izy ireo, nefa nisy nanakana ny famoahana izany teny amin’ny tribonaly, hoy ireo mponina nitaraina. Mbola miady any amin’ny tribonaly ity tany ity, nefa ny mahagaga an’ireto mponina ireto, dia lasa manana titra an’io tany io, ilay karana milaza fa tompony. Trano maromaro no iharan’ny fandrodanana amin’izao, ka izay manana taratasy ara-dalàna tsy voakitika, fa izay tsy manana kosa dia arodana ny tranony, hoy ity ramatoa ity. Anisan’ny tratry ny rano miakatra ity toerana nototofana sy nanorenana trano ity rehefa miakatra ny rano, hoy ny fanazavany, ka maro ireo traboina amin’izany. Mangataka amin’ny tompon’andraiki-panjakana mba hijery akaiky izao olana sedrain’ny mponina izao, fa tsy manana toerana aleha izy ireo, raha ravana ny tranony, hoy hatrany ny fitarainana.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.