Sosialy

Lanaky ny dia an-tongotra Vehivavy nitondra zaza nitsirara tsy nahatsiaro tena


  • Alatsinainy 10 Janoary 2022

Vehivavy iray no mitsirara tsy nahatsiaro tena intsony kanefa niaraka tamin'ny zanany vao enim-bolana monja no sendra hitan'ny Polisy avy amin’ny CSP 8 nanao fisafoana

 tetsy amin'ny lalam-baovao Rocade eny Andranobevava omaly alahady. Namonjy azy mianaka avy hatrany ireto Polisy ary tamin'izany no nahafantarana fa lanaky ny hanohanana sy sy havizanana ny Renin'ilay Zaza ka nahatonga azy tsy nahatsiaro tena intsony. Nilaza izy fa nandeha an-tongotra avy any Andriampamaky ho any Anosizato rehefa noroahan'ny rafozany hiala ny trano ary hody hamonjy ny fianakaviany. Nitsetra azy mianaka ireto ny Polisy avy ao amin'ny kaomisaria Analamahitsy ary niantoka ny sakafo atoandrony mba hahafahany mahazo hery indray. Naterina teny amin'ny toeram-piantsonana mihazo an'Anosizato indray izy aveo ary niantohana ny saran-dalany hahafahany namonjy ny fianakaviany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT