Sosialy

Lalao Ravalomanana Nizara vatsim-panahy sy vatsin’aina


  • Alarobia 27 Jona 2018

Noho ny asaramanitra, dia nisy ny vondrom-bavaka izay efa fanao tarihan’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana, izay niraisan’ny Boriborintany 6 eto Antananarivo Renivohitra.

 Tontosa ny alatsinainy tolankandro  tetsy amin’ny  Tranompokonolona Isotry izany, ka nahitana  olona manodidina ny 700 isa . Ny antony dia   mba ho fitazaina ara-panahy an’ireo olona ary koa fotoam-bavaka ho an’ny firenena sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Nisy ny firariantsoa   nataon’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana  ho an’ny olona rehetra noho ny fetim-pirenena, narahina fizarana baiboly sy vary 5 kilao avy isaky ny olona mba ho mariky ny fiaraha-mifety. Mbola hitohy hatrany ny fampianarana ara-panahy eny amin’ny Boriborintany, hoy  ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Misaotra an’Andriamanitra satria na roa volana tsy nifankahita aza dia tena feo avy aminareo ny hoe noana ny fanahinay, mangatsiaka ny fanahinay, hoy ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, izay tsy vatsim-panahy ihany no nentiny fa nisy ihany koa ny vatsin’aina.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT