Sosialy

Lalao Ravalomanana Nampitambatra mpivady miisa 45


  • Zoma 07 Desambra 2018

Nahazo tombony manokana omaly ireo mpivady 45 isa satria dia ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra,

 Lalao Ravalomanana, mihitsy no tonga nampitambatra azy ireo tamin’ny alalan’ny Fisoratam-panambadiana faobe tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely. Araka ny nambaran’ny ben’ny tanàna dia anisan’ny fitaizana ny vahoaka mba hanana tokantrano vanona sy modely ho reharehan’ny fianakaviana ny fisoratam-panambadiana, ka fifaliana ho azy no nanatanteraka izany omaly. Betsaka ihany koa, hoy izy, ny mpivady tsy vita soratra eto an-drenivohitra ka izay indrindra no nahatonga ny kaominina hikarakara ny hetsika fisoratam-panambadiana maimaimpoana toy izao, nohamoraina tanteraka ny nahafahan’izy ireo nisora-panambadiana. 17 taona no zandriny indrindra tamin’ity fisoratam-panambadiana ity ary 57 taona kosa no zokiny indrindra. Taorian’ny fisoratana dia afaka naka sary niaraka tamin’ny ben’ny tanàna avokoa izy ireo ary samy nahazo fanomezana. Fokontany miisa 10 avy ao amin’ny boriborintany voalohany  ireto nahazo tombony ireto ary hezahana hahazo tombontsoa torak’izany ihany koa ireo avy eny anivon’ny Boriborintany 5 hafa  eto an-drenivohitra, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT