Sosialy

Lalao Ravalomanana Nampahery ireo fianakaviana tra-pahoriana


  • Talata 22 Janoary 2019

Noho ny voina nahazo ny fianakaviana nihotsahan’ny tany teny Andoharano Tsimbazaza Boriborintany faha-4 ny takarivan’ny sabotsy ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA)

, dia tonga teny an-toerana  ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana  sy ny mpiara-miasa aminy  ary ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny boriborintany   faha 4, Félix Randriamandimbisoa omaly alatsinainy 21 janoary antoandro  nitsapa alahelo  ireo fianakavian’izy 3 mianaka  namoy  ny ainy. Tohina  ny ben’ny tanàna  Lalao Ravalomanana  noho ny loza nahazo ireto farany. Nandray andraikitra  avy  hatrany izy hijery ny fomba hisorohana  ny loza toy  izao,   miaraka  amin’ny ekipa teknika  ao amin’ny  CUA   sy  ny  mpamonjy voina.  Hamboarina   ireo lalankely  tena ratsy,  fandrodanana   ireo  toerana  hatahorana  hampidi-doza  ny mponina eny an-toerana.  Ny kaominina  Antananarivo Renivohitra no hiantoka ny  fitaovana  rehetra hahavitana izany fa ny mponina kosa  no hiantoka ny fitaomana  ny vato hanaovana azy. Nandritra io fidinany teny Andoharano Tsimbazaza  io dia tafahaona tamin’ireo mponina sahirana mivelona amin’ny fanasan-damba  ny tenany. Nangataka toerana fanasan-damba izy ireo fa tena mijaly loatra rehefa mikarama, araka ny nambaran’ny solontenany. Avy hatrany dia  nanapa-kevitra  ny ben’ny tanàna hanamboatra toerana fanasan-damba ho azy ireo  ao anatin’ny fotoana fohy. Hanara-maso sy  hanatanteraka  ny asa fanamboarana  ny ao amin’ny Boriborintany faha-4  kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny depiote voafidy tao an-toerana,  Félix Randriamandimbisoa.  Asa tonga  dia vavany  ny an’ny ben’ny tanàna. Mangataka amin’ny mpahazo tombontsoa kosa izy mba hanadio ny toerana hasiana ny fotodrafitrasa.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT