Notanterahana tao Antsirabe ny Filankevitry ny governemanta ho tohin’ny
fivoriana fanao isan-kerinandro ao amin’ny Lapan’i Mahazoarivo ka handinihana ireo raharaham-pirenena tsy afa-miandry, izay notarihin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian. Nambaran’ny Praiminisitra fa na dia amin’izao ankatoky ny faran’ny taona izao aza dia mbola maro ireo fanavaozana maro isan-karazany tsy maintsy atao eto amin’ny tany sy ny fanjakana, ary ilàna fandinihana sy famakafakana lalina ary fotoana izany, ka izay no anton’izao fivoriana androany sabotsy eto amin’ny Akademia miaramila izao. Isan’izany fanovana izany, ohatra mba hisian’ny fandriampahalemana izay laharam-pahamehana tokoa, ny fanavaozana rafitra eo anivon’ny tafika, toy ny fametrahana ny “Etat Major” telo manampy ny “Etat Major des armées”, hoy ny tatitra. Vao tsy ela ihany koa no napetraka ny Zone de Défense et de Sécurité ary ireo rafitra isam-paritra na ny délégation militaire régionale. Manomboka ihany koa ny fametrahana ireo bataillons maromaro, ka tsy maintsy mila fandinihana izany.
HOVAINA NY LALANA MOMBA NY “JEU DE HASARD”
Isan’ny nodinihina mandritra izao ihany koa ny lalàna mifehy ny “jeux d’argent” na ny “jeu de hasard”, izay efa tamin’ny taona 1971 no ampiasaina amin’izao, kanefa efa tsapa fa tsy mifanaraka intsony amin’ny toe-java-misy izany. Efa miha mivoatra tokoa izy ireny, raha tsy hilaza afa-tsy ny amin’ny sehatry ny internet, hoy ny Fanjakana. Izany indrindra no mibaiko antsika tsy maintsy hanavao ny lalàna rehetra mifehy ny kilalao rehetra izay mampiasa vola, kanefa atao mifanaraka sy manaja ny soatoavina Malagasy. Tombanana ho isan’ny hokitihina amin’izany ny fampidiram-bola na ny hetra ho an’ny Fanjakana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.