Sosialy

Lalao Krismasy sanjila an’ny MVola Hizarana hatramin’ny 5 tapitrisa Ariary


  • Alarobia 07 Desambra 2022

Tsara vintana miisa 131 no hosarihina ao anatin’ny lalao atsapaka antsoina hoe “Krismasy sanjila” iarahana amin’ny orinasam-pifanakalozam-bola MVola,

araka ny fampahafantarana nataon’izy ireo omaly. Manomboka eto, hoy ny fanazavana, dia hisy olona miisa 4 isan’andro tsara vintana hahazo 20.000 Ariary raha voasarika aorian’ny fampiasany ireo tolotra anatin’ity fomba fifanakalozam-bola ity toy ny fandraisana CB2MVola, ny tolotra Bank to MVola, ny fandoavana faktiora amin’ny alalan’ny MVola sy ny maro hafa. Hisy tsara vintana ho voasarika ihany koa izay manokana rehefa tapitra ny herinandro ka hahazo 1 tapitrisa Ariary fa izay tena be sanjila indrindra kosa dia hahazo 5 tapitrisa Ariary rehefa raikitra ny fisarihana goavana farany ny 23 desambra 2022 izao. Ho taterina isan’andro ao anaty tambazotran-tserasera Facebook moa ny andinindininy mikasika ity lalao ity, hoy hatrany ny fanazavan’ny mpikarakara, ary tanjona ao anatiny ny hiatrehan’ny rehetra fety sambatra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT