Raikitra ny “Jumbo Milllionnaire” lalao fanao isan-taona ho an’ny mpankafy sy mpanjifa ny Jumbo ho fisaorana azy. Hisy “millionaire” isaky ny faritany enina, sy loka hozaraina.
Maherin’ny Ar 10 000 000 ny totalin’ny loka hozaraina: 1 000 000Ar, TV écran plat, fatana gaz, rice cooker,… hoy ny mpikarakara. Manangona fonosana Jumbo folo mifangaro ny mpilalao ary mampiditra izany anaty valopy. Soratana ao an-damosin’ny valopy ny anarana sy ny fanampiny, ny adiresy, ny nomerao finday ary ny faritra hiaviana. Hidiana tsara ny valopy ary arotsaka anaty vata natokana ho amin’izany (urne) eny amin’ny toeram-pivarotana akaikin’ny mpankafy/mpanjifa eny, na alefa paositra amin’ny BP 1 600. Misy valopy manokana fa ny valopy tsotra dia manankery ihany koa. Hafana ny fanentanana samihafa ny 01 desambra 2019 ka hatramin’ny 10 janoary 2020, indrindra eny amin’ireo ivontoerana fanentanana momba ny Jumbo Millionnaire eraky ny faritany ireny (Point d’animation Jumbo Millionnaire) eny amin'ny toeram-pivarotana isan-karazany, eny amin’ny tsena, fa misy lalao ahazoana loka isan-karazany eo no ho eo eny amin’ireny toerana ireny. Ny 24 janoary 2020 ny fisarihana, hoy ny mpikarakara.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.