Sosialy

Lalan’ny atody eny Mahitsy Novatsian’ny sinoa vola 30 tapitrisa dolara


  • Talata 14 Aogositra 2018

Natomboka omaly ny asa fanamboarana ny « Route des œufs » na lalan’ny atody.

 

Lalana 19,25 km mampitohy an’i Mahitsy sy Ampanotokana ary Mahazaza. Mpamokatra atody betsaka indrindra ny kaominina Ambohidratrimo sy Mahitsy, izay mitana ny 40%-n’ny atody mitobaka manerana ny Nosy. Ny ampahafolon’ny vokatra anefa dia potika any anaty fitaterana noho ny haratsin’ny lalana. Fanomezana 30 tapitrisa dolara avy amin’ny fanjakana sinoa no hanatanterahana ity tetikasa ity. Mbola orinasa matihanina sinoa ihany koa no hanatanteraka ny asa. Ho an’ny filoha Hery Rajaonarimampianina, izay nametraka ny vato fehizoro, dia nambara fa teny efa nomena io ary tsy maintsy notanterahiny tamin’ny vahoakan’i Mahitsy sy Ambohidratrimo satria hanatsara ny fiainana sy hampakatra ny fari-piainana ao an-toerana sy manerana an’i Madagasikara ny fahavitan’ity lalana ity, hoy izy. Nampatsiahy i Hery Rajaonarimampianina, fa ilaina ny manana faharetana raha te hanana ny soa sy ny tsara, ary tsy vita anatin’ny iray andro ny zava-drehetra fa mila fotoana ny zavatra izay kendrena ho tsara sy haharitra mba hisian’ny Fisandratana. Miezaka mitokantokan-javatra sy manomboka tetikasa ny filoha mba hilazana fa niasa ary mbola vonona hiasa, ka te hiteny an-kolaka hoe: ampio aho. Ny fotodrafitrasa mety samy nanao, fa ny fandrosoan’ny fiainam-bahoaka no aoka hifampitsarana e !

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT