Lalànan’ny tolotra sy tinady baranahiny

Tsy mahay miray hina ny mpanjifa


  • Alarobia 12 Febroary 2025

Manjaka eto amin’ny tany sy ny firenena ankehitriny ny lalànan’ny tolotra sy tinady

baranahiny na ilay antsoina hoe «Loi de l’offre et de la demande sauvage», raha ny fanazavàn’ireo mpanjifa malagasy nanaiky naneho hevitra mikasika izany. Isan’ny tsikaritra io amin’ny afitsok’ireo mpivarotra fahana finday, araka ny efa fitarainana maro voaray isan-tsehatra, dia ilay hoe ampiana amboniny amin’ny sarany voasoratra ny vidin’ilay karatra ka raha fahana misoratra ho misanda 1000 Ariary, ohatra, dia lazaina fa 1100 Ariary. Raha 2000 Ariary dia lazaina fa 2200 Ariary. Eo am-pita eo nefa misy mpivarotra hafa mahavita mivarotra amin’ilay sarany ara-dalàna ihany. Toy izany koa ny vidin’ireo filàna an-davan’andro toy ny vary. Samy vary gasy izao ihany dia ny sasany misy mivarotra 3500 Ariary ny kilao. Eo am-pita lavidavitra eo misy mivarotra 3800 Ariary. Misy mivarotra atody gasy 500 Ariary ny iray dia misy 700 Ariary nefa tsy dia mifanalavitra eo ihany. Tsy mahay miray hina ny mpanjifa moa ao anatin’ilay toe-draharaha, hoy ny fanazavàn’ny raim-pianakaviana iray, fa dia aleony mividy amin’ilay manamorona ny fonenany na dia lafo aza fa tsy mba hoe etsy amin’ilay mora no hifandrombahana. Lojika isika, raha manaiky hararaotin’ny olona foana, hoy hatrany ny fanazavàn’ity raim-pianakaviana iray ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT