Sosialy

Lalàna vaovao momba ny fananan-tany « Ara-dalàna io, nantsoina firaisamonim-pirenena fa nandà”


  • Talata 21 Desambra 2021

“Voarain’ny Minisiteran’ny Fanajariana nyy tany sy ny fananan-tany (MATSF) tokoa ireo ahiahy sy fitarain’ny mpikambana sasantsasany ao amin’ny Fiarahamonim-pirenena izay nanao fanambarana taorian'ny famoahana fampananan-kery ny Lalàna n° 2021-16,

 izay manitsy ny Lalàna n° 2006-31 », hoy ny MATSF tarihin’Atoa Hajo Andrianainarivelo mikasika ny adihevitra momba ny lalàna vaovaon’ny fananan-tany… Na manan-karena, na mahantra, ny Tanindrazana no sisa mitoetra raha sanatria ka very avokoa ny teo ampela-tànana… Ambonin’izany araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana ny zo hanana fanànana dia zo fototra izay iantohan’ny fanjakana ny fiarovana azy. Noho izany, amin’ny alàlan’ny fanavaozana eo amin’ny sehatry ny fitantànana ny fanànan-tany, dia napetraka ny paik’ady vaovao amin’ny fitantànana ny tany mba hankatoavana ny zon’ny fampiasana ny tany avy amin’ny fifandimbiasan’ireo razana tany aloha, izay mitandro amin’ny alàlan’ny fanamarinana ny fanànan-tany ny fomba fampiasana ny tany ataon’ireo tantsaha rehetra amin’ny ankapobeny, hoy ny fanazavana. Taorian’ny nandaniana ity volavolan-dalàna ity dia niantso ny ankamaroan’ireo Fiaraha-monimpirenena ny MATSF mba hifandinika amin’ny hametrahana ireo fepetra hampiharana ity lalàna ity, saingy ninia nanda ny fanasana izy ireo, fotoana iray izay nahafahan’izy ireo naneho ny heviny mahakasika ny andinindininy momba ny Lalàna, hoy ny MATSF. Raha toa ka mahagaga tokoa izany safidin'ny Fiarahamonim-pirenena izany izay misafidy ny tsy hanatanteraka ny andraikiny fa hirotsaka amin’ny kilalao politika tsy ao anatin'ny iraka ampanaovana azy, dia tsy afaka miasa amin’ny fomba mifono fandrahonana tahak'izany ny fanjakana ary tsy maintsy miroso, hoy io setriny io. Ireo Lalàmpanorenana izay nifandimby dia namaritra hatrany fa ny Fanjakana irery ihany no mitàntana ny tany tsy manan-tompo eto Madagasikara (Andininy faha 34 ny Lalàm-panorenana 2010), ary ny MATSF, izay Ministera miadidy ny sampan-draharahan’ny Fanànan-tany, no miantsoroka izany. Tsy kisendrasendra arak'izany raha toa ka tetikasa tantanan'ny Minisitera ny fividianana sary tany azo avy amin'ny zanabolana ho fampiharana io Lalàna vaovao io, hoy ny ampaham-panazavana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT