Sosialy

Lalàna momba ny toaka gasy Nolavin’ny antenimierandoholona


  • Alakamisy 24 Jona 2021

Tsy nolanian’ireo loholona ny tolo-dalàna laharana faha 03-2019 /PL tamin’ny 16 jona 2020 « relative à la production et à la commercialisation du Toaka Gasy »

 na ny lalàna momba ny fanalalahana ny famarotana toaka gasy, natolotry ny depiote Razafintsiandraofa Jean Brunelle, Filoha Lefitry ny antenimieram-pirenena. Isan’ny nandrasan’ny maro ny momba io tolo-dalàna io, saingy fandavana aloha izany no navoaky ny loholona noho antony mety ho maro. Ara-pahasalamana, dia isan’ny mety ho lesoka ny resaka fanarahana fenitra amin’ny famokara, ny resaka singa sy fatra ilaina,… Ara-politika sy ara-barotra, mety ho lasa mpifaninana amin’ny toaka vahiny hafarana ny toaka gasy, ary mety mandeha ny kajy avo lenta hanakanana azy. Raha ny lafiny kolontsaina sy ny fombafomba eto Madagasikara kosa, dia misy foana ny toaka amin’ny ankampobeny na an-kafaliana na an-karatsiana. Na voarara aza ny toaka gasy, misy sy hita foana io na aiza na aiza. Mety misy ny voka-dratsiny ara-pahasalamana, ara-piarahamonina, saingy na aiza na aiza aleha, dia saika ahitana toaka gasy avokoa fa ny karazany na ny heriny no mety hisy fahasamihafana. Adihevitra be io, ary ao ny milaza fa tokony halalahana, ao ny miteny fa tsy ilaina izany. Adihevitra tsy hifankahitana mandrak’androany hatrany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT