Sosialy

Lalana mihotsaka eny Soanierana ambony Fianakaviana 9 nalana tamin’ny trano fonenany


  • Talata 26 Febroary 2019

Olona 54 ao anatina fianakaviana miisa sivy no voatery nalana tamin’ny toeram-ponenany omaly teny amin’ny fokontany Soanierana I sy III, Boriborintany fahefatra vokatry ny fihotsahan’ny lalana eny an-toerana.

 

 

 Hiarovana ny ain’izy ireo sy hisorohana ny loza mety hitranga no antony. Raha ny fantatra, efa nisy nihotsaka kely ihany ity lalana ity teo aloha saingy tsy betsaka. Vao mainka niitatra anefa izy io vokatry ny ora-nikija ny faran’ny herinandro teo, antony nanapaka tanteraka ny lalana eny an-toerana. Tsy azon’ny fiara hampiasaina intsony ny fotodrafitrasa raha ny fanambarana nataon’ny fiadidian’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, eny fa na ny bisikileta sy ny môtô aza. Efa manomboka moa ny asa fanamboarana ka aorian’izay vao afaka miverina amin’ny trano fonenany indray ireo fianakaviana miisa sivy ireo.

 

Nangonin’i Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT