Sosialy

Lalàna mifehy ny asa Fifanarahana vaovao miisa 4 no nosoniavina


  • Zoma 16 Jona 2023

Fifanarahana miisa 4 vaovao no nataon'i Madagasikara sonia ho fametrahana ny rariny ara-tsosialy indrindra amin’ny fampiharana ny lalàna mifehy ny asa tany Genève, Soisa,

raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana omaly. Eo ny fiarovana sy ny fahasalaman’ny mpiasa any amin’ny toeram-piasana. Manaraka izay ny drafitra lasitra entina mampiroborobo ny fiarovana sy ny fahasalaman’ny mpiasa any amin’ny toeram-piasana, ny fifanarahana. Ny sampan-draharaha misahana ny fahasalamana eny anivon’ny toeram-piasana no fahatelo ary farany ny momba ny sata mifehy ny asan'ireo mpiasa an-dranomasina, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Etsy ankilany moa dia mamaramparana izay fivoriana an-tampony momba ny asa miaraka amin’ny OIT na rafitra iraisampirenena momba ny asa izay ny solontenan’ireo firenena mikambana anatin’izany tonga any an-toerana ankehitriny. Nivoaka ny fehinkevitry ny OIT fa ny eto Madagasikara kosa dia andrasana amin’ity anio ity ihany koa ny fanehoan-kevitr’ireo sendika sy ny fepetra ho raisiny manoloana ny didim-panjakana mikasika ny mari-karama eto amintsika.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT