Lalàna mifehy ny asa

Andininy maromaro no atahorana hamono ny mpiasa


  • Alarobia 06 Desambra 2023

Tamin’ny heriny no nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra moa ny

fehezan-dalàna misahana ny lalàna vaovao mifehy ny asa, hoy ny Randrana sendikaly omaly. Vita, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga, ny teny amin’ny governemanta dia andeha eny amin’ny solombavambahoaka sy ny loholona indray izany. Novambra 2022, raha tadidintsika, no efa niainga ny fanaovana azy io. Efa nisy ny fandraisan’anjaran’ny mpampiasa, mpiasa, sendika, fanjakana tao anatin’ny adihevitra. Niresaka foana ny Randrana sendikaly fa misy andininy maromaro ao mbola atahorana hamono ny mpiasa. Mbola mamerina izany izahay. 25 isa, hoy ireo mpampiasa, no mbola tsy mety aminay. Ho antsika mpiasa kosa dia andininy tsara dinihina izay iantsoana an-drizareo solombavambahoaka sy loholona mba ho jereny akaiky, raha tamin’ny 30 taona lasa izany no nodinihina farany, izany hoe faha 5 izao no hikitihina azy, amin’ny ankapobeny dia ny andininy faha 28, mikasika ny antsoina hoe CDD, ohatra. Tsy mety izany hoe CDD na tsy mpiasa raikitra izany ianao mandritry ny 6 taona aty amin’ny sehatra tsy miankina. Tsy tokony hihoatra ny 2 taona ny fanavaozana in-droa izany ary efa saika toy izany daholo ny aty Afrika. 3 volana in-droa, ohatra, dia efa mba CDI. Faharoa ny faha 35. Nalaza ho fantatry ny olona rehetra tato ho ato izany fiatoana tekinika na “chômage technique” izany. Lasa 6 volana izao tsy mandray na Ariary aza ny mpiasa tratran’io dia ho velomina amin’inona izany? Tokony any amin’ny fifanarahana iombonana fa tsy anaty lalàna mihitsy no hametrahana an’izany. Eo koa ny mikasika ilay hoe fanaovana andrana na “Essai” izay lazaina fa tsy tokony hihoatra ny 6 volana. Tokony atao mazava hoe ho an’ny “cadre” na mpitantana ilay 6 volana azo avaozina in-droa ary ho an’ny mpiasa tsotra kosa, 3 volana in-droa. Efa mpikamban’ny OIT hatramin’ny 1960 i Madagasikara. Nanasonia ny fifanarahana iraisampirenena fototra faha 87 sy 98, resaka fahafahana manangana sendika, zo sendikaly sy fikambanana, misy izany ny lalàmpanorenantsika. Ny soratra ao dia hoe afaka maka latsakemboka amin’ny karamany ny mpiasa fa tsy hoe ny mpampiasa no maka ny an’ny mpiasa. Fanohitohinana ny zo fototra sendikaly izany. Betsaka izy ao fa ireo no heverinay fa fototra tena mila vahana maika, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT