Lalana 500m eny Andranambo Ambodihady

Noraisin’ny depiote Todisoa an-tànana ny fanamboarana


  • Alakamisy 28 Martsa 2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

fahaenina eto Antananarivo, niditra an-tsehatra nandray an-tànana ny fanamboarana izany ny Depiote Todisoa Andriamampadry, izay voafidy teny an-toerana. Mirefy eo amin’ny 500m eo izany làlana izany. “Lalana tsy nisy nijery amam-polo taona maro, sady ratsy no malama ary feno ranom-potaka no natao ary ho vitatsika tsy ho ela. Tonga teny tenanay nijery sy nanara-maso ny asa ary nanentana ny vahoaka mba hikolokolo izany. Nisitraka asa sosialy sy fotodrafitr'asa daholo ny fokontany rehetra 31 teto Ambohimanarina ary mbola hisy ny manaraka”, hoy ity solombavambahoaka ity. Ny tenany izay matetika no manipika fa tsy andraikitra fa adidy amin’ny vahoaka, izay raha halalinina dia tsy tokony ho anjaran’ny depiote izay mpanao lalàna no manamboatra làlana sy fotodrafitrasa, saingy ataony mba ho fanasoavam-bahoaka, rehefa tsy hanao ny mpanatanteraka. “Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy”, hoy rahateo ny fomba fiteniny, izay maneho fa zava-dehibe ny fifanomezan-tànana mba ho an’ny soa iombonana. Talohan’izao dia ny teny Ankazomanga, Anosivavaka,… no notsidihiny nijerena ny fahavitana sy fizotran’ny fanamboarana ireo làlana nanaovan’ny vahoaka antso avo.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT