Sosialy

Lalamby - Ampefiloha Noesorin’ny polisy ireo mpivarotra korontam-by


  • Alakamisy 16 Febroary 2023

Noesorina avokoa ireo mpivarotra korontam-by etsy akaikin’ny lalamby Ampefiloha, manakaiky an’i La Réunion kely.

Omaly hariva no nanatanterahan’ny polisim-pirenena izany ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana sy ny fanelingelenana mahazo ny mpampiasa lalana ary ny loto aterak'ireny mpivarotra korontam-by ireny eny amin'ny lalan'ny mpandeha tongotra eny Ampefiloha. Efa nisy hatrany moa ny fampahafantarana sy ny fanentanana nomena azy ireo vao tonga tamin'izao fanalana azy izao ny mpitandro filaminana. Ankoatra ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany moa dia andraikitry ny Polisy ihany koa ny fanampiana ny vahoaka hitandro ny fahadiovana eny an-dalambe rehetra eny. Ho an’ireo mpivarotra korontam-by nalana teny an-toerana dia tena manaiky ny fanereny ny lalana sy ny loto haparitany tokoa izy ireo. Na izany aza dia mangataka toerana amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra kosa izy ireo hahafahany mivelona. Mamelom-bady aman-janaka avokoa mantsy izy ireo ary mampiditra lela-vola 3.000 Ar isan’andro raha kely.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT