Sosialy

Lalam-pirenena faha-5 sy faha-44 « Tsy mbola nanomboka izany ny asa ! »


  • Alatsinainy 13 Janoary 2020

Namita iraka nijery ifotony ny lalana nolazaina fa efa vita tany amin’ny RN5 sy RN44 ny RMDM,

raha ny tatitra nataon’ny mpikamban’ity rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara ity, Gaby Vakiniadiana. Nahita maso izahay fa ny vato fanombohana ny asa ihany hatreto no mipetraka ho an’ny lalam-pirenena faha-44. Tsy misy lalana vita ao fa olona manao tranon’ny sinoa izay lazaina fa tranon’ny banky iraisampirenena no misy ao. Na ny lalana nisy tao taloha aza tsara lavitra, hoy ity mpanolotsaina eo anivon’ny RMDM ity. Tsy mbola manomboka ny asa, herintaona aty aorian’ny fampanantenana. Ho an’ny lalam-pirenena faha-5 dia eo amin’ny 90 km no mampitohy an’i Toamasina sy Fenoarivo Atsinanana fa ny lalana « Béton » tapatapaka dia 4km195m. Ankoatr’izay dia lalana faran’izay ratsy tsy azo aleha no misy any.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT