Sosialy

Lalaina Razafindralambo - MCI « Tsy ekena intsony ny fanaovana tohatra fiakarana ny vahoaka »


  • Alarobia 22 Martsa 2023

Eo anilan’ny vahoaka hatrany ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa, hoy ny avy eo anivon’ny Hetsi-panoherana ny fidangan’ny vidim-piainana na MCI.

Ny olana, hoy ny filohan’izy ireo, Lalaina Razafindralambo, dia fikambanana izahay fa tsy mpiasam-panjakana. Mivelona anaty latsakemboka. Olana faharoa ny tsy mbola fananan’ny fikambanana ny antsoina hoe “agrément”. Alalana entin’ny fikambanana hiaro ny mpanjifa io. Hitondrany ny tsy mety hitany eny anivon’ny fitsarana. Be dia be ny tsy rariny eto amin’ity firenena ity. Eo ny olan’ny JIRAMA, ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny olana eo amin’ny fifandraisan-davitra na Orange io na Telma na Airtel. Kely dia kely ny fahefanay manoloana izany ary antony mahatonga anay miady hatramin’ny farany hoe ampitomboy ny fahefanay. Vanim-potoanan’ny fifidianana isika izao. Tsy ekena intsony ny hoe vahoaka malagasy atao tohatra, hoy hatrany ny MCI.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT