Sosialy

Lakandranon’i Mozambika Mety hisy rivodoza hiforona indray


  • Alarobia 15 Janoary 2020

Ny tsioka avy avaratra na avaratra andrefana no hamaritra ny andro eto Madagasikara ary arahina fandalovana andian-drahona izany amin’ny faritra Atsimo amin’ny fiafaran’ny herinandro,

 

 

 araka ny vinavinan’ny Sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro. Tombana  mandritra ny herinandron’ny 14-19 janoary io. Hahazo vahana, araka izany, ny oram-baratra arahina tafiotra ny tolakandro, ny hariva ary ny alina manerana ny Nosy ary amin’ny vao maraina ho an’ireo morontsiraka andrefana. Hatevina kokoa izany any amin’ny tapany Atsimo amin’ny faran’ny herinandro. Tsy hisy aloha ny tranga mahery vaika ahiana hiseho. Saingy, ireo oram-baratra no mety harahina tafio-drivotra amin’ny ankapobeny. Etsy andanin’izany, mety hisy ny fiforonan’ny rivodoza ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika amin’ny faran’ny herinandro ary arahi-maso akaiky ny fivoaran’izany amin’ny tapan’ny faharoa an’ity herinandro ity, hoy ny fampitam-baovao. Hahitana fidinana ny maripana ambony sy ambany amin’ny faritra Atsimo ; manodidina ny [16 - 25°C] ny maripana ambany ary eo anelanelan’ny [25 - 35°C] ny ambony.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT