Sosialy

Lakandranon’Andriantany Maloto hatrany na dia efa nodiovina aza


  • Alatsinainy 28 Mey 2018

Anisan’ny faritra iray tena maloto eto an-drenivohitra ireo toerana lalovan’ny lakandranon’Andriantany.

Na dia efa nisy aza mantsy ny asa fanadiovana notanterahin’ny fitondram-panjakana sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra teny an-toerana dia maloto tsy ahitam-piovana hatrany ny tanàna. Roa andro raha ela indrindra no tsy misy diky miparitaka sy tavoahangy plastika ao anatin’ny lakandrano dia miverina amin’ny laoniny indray ny loto. Saika manan-janaka madinika avokoa anefa ny ankamaroan’ireo mponina eny an-toerana sady maro renim-pianakaviana. Ho an’ireo mponina etsy La Réunion kely, raha araka ny fanazavan’ireo mponina dia ny tsy fananany toerana fanariam-pako sy trano fivoahana mihitsy no antony mahatonga izany. Ho an’ireo karazana tavoahangy plastika hamidy eny an-toerana, ohatra, dia avy hatrany dia hatsipiny any anaty rano izy ireny rehefa tena tsy misy mividy mba hiangona raha misy ihany koa ireo olon-kafa manararaotra ny manao izany. Mikasika ny diky indray dia  efa lasa 100 Ar amin’izao ny mivoaka amin’ireny trano fivoahana ho an’ny daholobe ireny nefa na dia ny sakafo hanin’izy ireny aza tsy misy. Rehefa te-hiaina sy hivelona amina toerana madio ny olona iray dia tsy maintsy miezaka ary mahita vahaolana foana. Midika izany fa ny toe-tsaintsika mihitsy no efa maloto sy tsy te-handroso ka tsy mahagaga raha tsy mandroso i Madagasikara.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT