Sosialy

Lakandrano manodidina an’i Besarety Amboarina hatao “beton”


  • Talata 19 Febroary 2019

Hanomboka tsy ho ela ny asa fanamboarana ireo lakandrano manodidina an’i Besarety Boriboritany faha-3, Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA),

 

 

 miainga eny amin’ny Rasalama mihazo an’i La Rotonde, ka hatreny Ambodimanga dia nampiantso ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka ny tao anivon’ny CUA, notarihan’ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna, Olivier Randrianarisoa. Nahitana ihany koa ny foibem-pitondran’ny asa vaventy na ny DTP (Direction des travaux public ) eo anivon’ny kaominina sy ny DTMU, na ny foibem-pitondran’ny fitaterana sy ny fifamezivezena an-drenivohitra. Tapaka nandritra ny fivoriana fa hatomboka ny asa fanaovana latsa-tsimenitra “beton” ny lakandrano eo amin’ny manodidina an’i  Besarety, izay haharitra enim-bolana ka hatramin’ny herintaona. Hohavaozina tanteraka ireo lakandrano rehetra, ankoatra ny fanadiovana nahazatra ny CUA. Hisy koa ny asa hatao amin’ny alina, mba tsy hisian’ny fanelingelenana ny fifamoivoizana. Anisan’ny voakasika ny asa amin’ny lalana mihazo ny  RN 2 mirefy 5,5 Km; ny RN 3 mirefy 10 Km ary ny RN 4 mirefy 9 Km. Tonga nandray anjara avokoa ny eo anivon’ny Samva, Jirama, ATT, Telma sy ny Direction Régionale  Travaux Public, polisy monisipaly ... Marihina fa efa tetikasa tamin’ny taona 2015 izy ity, saingy izao vao feno ny famatsiam-bola avy any amin’ny BEI  (Banque  Européenne d’investissement)  hanatanterahana ny asa araka ny fanazavan’ny DTP ny CUA, Rakotomanga Rindra. Tompon’anjara koa ireo Delegen’ny boriborintany voakasika dia ny faha-6, faha-5,  ny faha-3 ary  ny boriboritany voalohany, miaraka amin’ny ben’ny tanànan’i Sabotsy Namehana. Efa vita avokoa ny fanadihadiana rehetra izay raisin’ny “Bureau d’Etude” an-tanana miaraka amin’ny CUA.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT