Sosialy

Lahatra Andriamahatsangy « Andao hanao fotodrafitrasa ilain’ny vahoaka maika »


  • Talata 08 Febroary 2022

Kianja Barea mitentina 77 tapitrisa dolara. Colisée 20 tapitrisa dolara. Teleferika 150 tapitrisa Euro. 6000 dolara na 24 tapitrisa ariary, izany hoe,

120 tapitrisa iraimbilanja eo ho eo anefa dia mahavita fonenana manara-penitra na « logement social » iray mafy orina na « en dur », hoy ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena iray. Ny totaliny mahavita « logements Sociaux en durs » na trano mafy vita amin’ny biriky sy simenitra 40.000 isa manerana an'i Madagasikara dia 247 tapitrisa dolara. Lazaina tsy tia fandrosoana moa izay mitsikera. Ny Minisitra sy depiote tsy miaro vahoaka fa mety hono io, hoy hatrany ity fanehoan-kevitra ity. Ny famindrana ireo mponina dibo-drano lava ireo no tokony atao maika fa tsy kianja manara-penitra, hoy kosa ny tekinisianina momba ny asa vaventy. Lahatra Andriamahatsangy. 100 tapitrisa dolara fara-fahakeliny no lany amin’ny fanarenana, hoy izy. Mety ho mihoatra aza. Ajanony aloha ny teleferika dia andao hanao foto-drafitrasa ilain’ny vahoaka maika toy ny trano, lalana, CSB sy ny maro hafa. Tena mila mandeha any amin’ny maika sy laharam-pahamehana ny fitondrana fa tsy maika hanao fotodrafitrasa mora simba sy difo-drano lava izao. Tsy sarotra ny fanorenana manohitra rivodoza na “construction anti-cyclonique” fa finiavana no tsy ampy, hoy hatrany i Lahatra Andriamahatsangy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT