Sosialy

Laharana maitson’ny Coronavirus 23.000 isan’andro ny antso voaray


  • Talata 24 Martsa 2020

Taorian’ny nahafantarana fa efa mahatratra 12 ireo olona voan’ny coronavirus eto amintsika dia nanao tohivakana ny antso voarain’ilay laharana maitso 910.

 

 

Raha araka ny fantatra dia mahatratra 23.000 isan’andro izany ka ny 40 % dia manontany ny mombamomba ilay aretina, ny fitrangany, ny tokony hatao raha sanatria tojo olana….Na izany aza anefa dia manana olana ihany ireo tompon’andraikitra mandray antso amin’ity laharana maitso ity. Misy amin’ireo olona sasany mantsy no miantso ary mananihany azy ireo fotsiny, antony tsy haharaisana ireo antso hafa izay mety mila fanampiana maika. Miantso ireo karazan’olona ireny mba hampitsahatra io hanihany amin’ny tsy antony io araka izany ireo mpandray ny laharana maitso 910 no sady mangataka ny hisian’ny fifanajana ihany koa. Mikasika ilay laharana maitso 913 kosa moa dia fantatra fa ireo olona efa mahatsiaro tena ho tsy salama ka manahy ny amin’ny toe-pahasalamany no afaka miantso azy io.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT