Sosialy

Laharana maintso 812 Andraisana ny fitarainan’ny mpanjifa


  • Sabotsy 04 Aprily 2020

Misy ny ivontoerana Connecteo izay natokan’ny Ministeran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asa tanana (MICA) handraisana ny laharana maintso 812 iantsoan’ny mpanjifa.

 

 

 

Natsangana tamin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny mpanjifa izy io mba hiarovana ny zony. Itsinjovana ihany koa ireo mpanjifa sy ireo mpandraharaha manao ny tatitra na fitarainana na soso-kevitra ho fanatsarana hatrany ny asa iandreketana eo anivon’ny MICA mba hiadivana amin’ny fanararaotana. Amin’izao fotoana izao mantsy dia mety misy izany fanararaotana izany izay ataon’ireo mpivarotra sasany mampiakatra vidin’entana na manafina ireo tahirin’entana. Nanambara ny Minisitry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asa tanana, Lantosoa Rakotomalala fa tokony hatao mazava tsara izay mety ho fitarainana hataon’ny mpanjifa tahaka ny hoe aiza ny toerana misy ny olana ary inona no zavatra tsikaritra tsy manara-dalàna mba ahafahan’ny mpiasan’ny MICA midina haingana eny ifotony. Ankoatr’izay dia efa misy ny fiaraha-miasa amin’ireo ratsa-mangaika isan-tsokajiny tahaka ny eny amin’ny fokontany, ny kaominina, ny faritra, ny mpitandron’ny filaminana mba hiadivana amin’ny tsy fanarahan-dalàna rehetra misy eny an-tsena. Olona efa matihanina ary efa mahafantatra tsara mahakasika ny varotra sy ny fanjifana no mandray ny antso hoy hatrany ny nambaran’ny Minisitra.

 Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT