LAFO LOATRA NY VIDIN-TSAVONY

Indray mandeha isan-kerinandro sisa no manasa lamba…


  • Alakamisy 28 Septambra 2023

Tena miaka-bidy hatrany ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro eny an-tsena. Anisan’izany ny savony

izay efa mahatratra 1.000 Ar ny mora indrindra raha mbola nahazo ny 500 Ar teo aloha teo. Tsy tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy intsony vokatr’izany ny manasa lamba eny anelanelam-potoana. Tsy maintsy kajiana indray mandeha isan-kerinandro ihany izany ary tsitsiana tsy mihoatra ny 2000 Ar ny savony vidiana ho an’olona telo na efa-mianaka ao anatin’ny tokantrano iray. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina Renim-pianakaviana iray dia lasa mankany amin’ny fividianana vary sy laoka hilaofana ny vola hamidy savony. Iretsy voalohany mantsy no tsy azo leferina raha mbola azo hiafiana kely kosa ny resaka fanasan-damba. Na izany aza dia nomarihiny fa tena mafy ny mahazo ny vahoaka Malagasy ankehitriny. Sady efa tsy ampy sakafo no mbola hatosika an-kolaka ao anaty havoretrana sy loto ihany koa vokatry ny fidangan’ny vidin-tsakafo. Antony mahatonga izany moa raha tsiahivina ny fampiakaran’ny fanjakana foibe ny hetra alaina amin’ireo karazana akora fanamboaran-tsavony eto amintsika.
Pati
Legende : Tsy ny savony ihany fa saika miakatra isan’andro ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro eny an-tsena !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT