Sosialy

La Réunion kely Tonga ny kaontenera andiany faharoa


  • Talata 19 Martsa 2019

Tonga tamin’ny faran’ny herinandro teo ny andiany faharoa tamin’ireo kaontera, trano vonjimaika hipetrahan’ireo olona sahirana monina etsy la réunion kely.

 

 Kaontenera roa indray no natolotry ny  Minisiteran’ny mponina sy ny fampiroboroboana ny vehivavy tamin’izany ka fianarana 12 isa no nahazo tombontsoa nanampy ireo kaontenera miisa fito efa eny an-toerana.  Tsiahivina moa fa  nifanandrify tamin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny asa soa eo anivon’ny fiangonana advantista no nahatongavan’ireo kaontera hafa andiany faharoa ireto ka  tonga nanolotra “lampe led” ho an’ireo fianakaviana 193 monina  eny an-toerana ihany koa ireo mpino eo anivon’ity fiangonana iray ity. Nanamarika moa  ny sekretera  jeneraly eo anivon’ny Ministeran’ny mponina fa hisy ny fanaraha-maso sy fitsidihina isam-bolana hataon’izy ireo eny La Reunion kely hanentanana ny mponina mba hahay hikojakoja ireo fitaovana sy trano nomena azy ireo.

 

Pati

 




Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT