Sosialy

La Réunion kely Raikitra ny fanadiovana, an-jatony no very fihinanana


  • Alakamisy 13 Aogositra 2020

Olona an-jatony no very asa tanteraka nanomboka ny Alatsinainy teo vokatry ny fikatonan’ny lalana ampitan’ny La Réunion kely ambadiky ny Ministeran’ny Atitany iny. Anisan’izany ireo mpivarotra vy, kapoaka, finday, kojakojan-tokantrano tonta, lamba, sakafo masaka….

 

 

Raha araka ny fanazavan’izy ireo dia hatramin’ny nisian’ny fihibohana tanteraka no nanakatonan’ny tompon’andraikitra ity lalana ity noho ny antony tsy fantatra. Rehefa navelan’ny Filoham-pirenena mba hiasa anefa ireo mivelona eny an-toerana dia mbola mikatona ihany ilay lalana. Nisy ny fanatonan’izy ireo ny Ministeran’ny Atitany araka izany saingy tsy hitan’ireo olona an-jatony ireo ihany koa izay tena tompon’andraikitra. Manao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana sy ny Ministeran’ny Atitany izy ireo araka izany ny mba hanokafana ity lalana ity hahafahany mivelona toy ny teo aloha. Tsiahivina moa fa misy mpivaro-boninkazo ihany koa tapaka fivelomana noho ny fikatonan’ity lalana ity.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT