Misedra olana sahady ireo mponina etsy La Réunion kely amin’izao. Efa simba sahady mantsy ny ankamaroan’ireo trano lay miisa 53 nomen’ny Fitondram-panjakana ho an’ireo tokantrano 53 tafo voakasik’izany eny an-toerana, ka manomboka miverina mandrafitra trano amin’ny “sachet” indray ireo mponina.
Ny andro anefa efa tena manomboka mangatsiaka. Zaza amam-behivavy rahateo no maro amin’ireo mponina eny, ka mahatsiaro ho tena mijaly. Ireo tsy nahazo trano lay indray, noho ny antony tsy fantatra, dia mangataka amin’ny Filoham-pirenena mba hijery akaiky izany. Raha ny fanazavan’izy ireo mantsy dia ilay fitsinjarana mihitsy no tsy nandeha araka ny tokony ho izy, satria dia nasesy avy any ambany manakaiky ny barazy eny Ampefiloha izany, izay vao nakarina ka tsy nahazo avokoa ny ankamaroan’ireo olona miisa 1.300. Nomarihin’ireo mponina moa fa ny sefom-pokontany ao Manarintsoa Atsinanana no tompon’antoka tamin’izany fitsinjarana ny trano lay izany. Ankoatra izay dia manana olana goavana hafa ihany koa ireo mponina. Hanomboka amin’ity herinandro ity indray ihany koa mantsy ny fanalana ireo fotaka amin’iny lakan-dranon’Andriantany iny ka ho voahabana tsy ho afaka hivarotra intsony ihany koa izy ireo no sady hiaritra fofona maimbo mandritra ny fotoana maharitra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.