Sosialy

La Réunion kely Olona iray matin’ny hatsiaka


  • Alatsinainy 15 Jolay 2019

Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika ankehitriny. Mamirifiry aoka izany ny hatsiaka, indrindra fa ny amin’ny alina. Ramatoa lehibe iray no namoy ny ainy vokatr’izany tetsy La Réunion kely.

 

 

 Raha araka ny loharanom-baovao dia nipetraka tamin’ireo trano lay nametrahana ireo olona tsy tafiditra tao anatin’ireo kaontenera avy amin’ny Ministeran’ny mponina sy ny fitondram-panjakana farany teo izy io. Niampy ny loto sy ny fofona eny an-toerana izany hatsiaka izany ka tsy tana intsony ny ain’ity Ramatoabe ity. Nomarihin’ireo mponina moa fa raha tapa-bolana taorian’ny nahatongavan’ireo kaontenera maromaro eny an-toerana no fe-potoana nomen’ny tompon’andraikitra fa hahatongavan’ireo kaontenera andiany manaraka dia tsy hita intsony izany mandraka ankehitriny. Efa-bolana izay no lasa hoy izy ireo miaina anaty loto sy hatsiaka tanteraka ny mponina ao La Réunion kely koa manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana. Mangataka ireto farany tsy hiangatra koa izy ireo fa hampitovy zo ny tokantrano tsirairay avy. Ankoatra ny trano moa dia olan’izy ireo hafa ny tsy fisian’ny trano fidiovana sy fivoahana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT