Sosialy

La Réunion kely Mitaraina amin’ny hafanana sy ny fofona ny mponina


  • Talata 09 Novambra 2021

Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny hafanana tanteraka isika ankehitriny. Anisan’ny tena mitondra faisana ao anatin’izany ireo mipetraka amin’ny trano vy toy ny iainan’ireo mponina etsy La Réunion kely Ampefiloha.

 Amin’ny atoandro raha araka ny fanazavan’izy ireo no tena mampamaivay ny hafanana izay mila tsy ho zakan’ireo kilonga madinika sy zokiolona. Ankoatra izay hoy ireo mponina dia mila tsy ho laitra ihany koa ny fofona sy ny lalitra. Saika amin’iny moron’ny lakan-drano iny avokoa mantsy no manao maloto ny ankamaroan’ny mponina noho ny tsy fananana toeram-pivoahana. Misy trano fivoahana ho an’ny daholobe ihany eny an-toerana saingy 100 Ar ny mivalan-drano indray mandeha monja….Vokany, manahy mafy ny amin’izay mety ho toe-pahasalamany ny mponina. Notsiahivin’izy ireo aloha fa mbola tsy nisy tratry ny valan’aretina Covid 19 izy ireo saingy anisan’ny aretina matetika mpahazo azy ireo kosa indrindra fa ny ankizy madinika ny aretin-kibo izay mampanahy be ihany amin’izao vanim-potoanan’ny hafanana izao.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT