Manomboka miditra mian-dalana ao anatin’ny vanim-potoanan’ny hatsiaka isika ankehitriny. Na izany aza efa tena mamirifiry tanteraka izany antony mampahazo vahana ny aretin’ny taovam-pisefoana toy ny kohoka,
ny sery mahery….Ho an’ny mponina etsy La Réunion kely dia saika voan’io aretin’ny taovam-pisefoana avokoa ny ankizy madinika, raha araka ny fanadihadiana natao. Vokatry ny hatsiaka no antony mahatonga izany izay nomarihin’ireo mponina fa miampy ny fofona maimbo eny an-toerana ateraky ny tsy fisian’ny trano fivoahana. Raha tsiahivina mantsy dia tsy manana trano fivoahana ireo mponina eny La Réunion kely fa manamorona eny rano mandeha iny ihany no manao izany. Tsy lavitra eo anefa fa eo amin’io toerana io ihany izy ireo no manasa lamba sy mivarotra ireo karazana kojakoja maro samihafa ilaina toy ny tavoahangy…. izay marihina fa notsipinina teny amin’ny zaoridira avokoa. Marihina moa fa vao 20 mahery eo raha misy ilay kaontenera nomen’ny Minisiteran’ny mponina navadika ho trano hitoeran’izy ireo. Ny ankoatra izay dia saika trano scahet plastika avokoa izay mitombo andro aman’alina noho ny hamaroan’ireo olona tsy mahaloa hofantrano.
Pati
Legende : Mafy ny mahazo ireo mponina ao La Réunion kely
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.