Ny volana febroary 2019 no nanomboka nahazo trano vonjimaika vita amin`ny kaontenera ny mponin` i La Réuninon Kely, izay natolotry ny minisiteran` ny mponina.
Nisy andiany roa hafa taorian` izany. Raha ny fanazavana nataon` ny minisitra tamin` izany di any fahasahiranana no mahatonga ny olona manorim-ponenana eny an-toerana. Tsy manana anto-pivelomana ankoatra ny fitsindrohana fako toy ny kapoaka sy tavoahangy izy ireo. Marihana fa tsy avy eto Antananrivo ihany ireo olona ireo fa misy avy amin`ny faritra hafa. Efa tamin` izany moa no nanambara ireo mponina fa manaiky hifindra toerana izy ireo saingy raha toerana tsy lavitra an` Antananrivo no asiana azy noho ilay fitadiavana. Nampatsiahy izany i Randriamananjara Andrianiaina, tale jeneralin` ny fiahiana ara-tsosialy eo anivon` ny minisiteran` ny mponina, fa efa nisy ny famindrana ireo tsy manan-kialofana sy mpatory an-dalana ary ireo mponin` I La Réuniion Kely teny amin`ny vohitra iombonana Andranofeno Sud (PK 135) sy Ankarefo saingy niverina an-tongotra izy ireo. Nilaza moa izy fa “aleo mijery ny olona raha tsy maintsy hipetraka eo ihany”. Manoloana izany dia ho avy ny kaontenera andiany manaraka satria zava-dehibe ho an` ireo mponina eny an-toerana ny fanomezana trano azy ireo izay efa miaraka amin`ny fandriana sy kidoro noho ilay trano “sachet”. Marihana fa nisy ny tetikasa famindrana ny mponina eny an-toerana saingy noho ny valanaretina Covid 19 dia voatery naato izany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.